<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Na mamely ny tafiotra lehibe FFPM827</title>
<lyrics>[V1]
 Na mamely ny tafiotra lehibe
 Sy mandrivotra fatratra
 Ka efa mila hahavery saina re!
 Hozakaiko fa lahatra
 Jeso Tompo no amiko izao
 Ka ny loza resiny avokoa
 Izy no mitondra ahy mba ho ao
 Amin-dRainy handova ny soa.

[C1]
   Mandrosoa hoy ny Tompo
   Fa Izaho hitondra anao
   Ka hitandrina anao
   Sy hanatitra anao
   Any Ziona fonenan'ny Ray

[V2]
 Na dia maizina ny lalako ety,
 Sady be fahavalo koa
 Kelikely foana dia ho tonga ary
 Ka ho tretrika ao tokoa.
 Jeso Tompo no misakambina
 Sy mihazona ny tanako roa,
 Sady be fitia ka te-hiambina
 Ny fanahy sy ny aiko koa.
 Mandrosoa hoy ny Tompo, sns...

[V3]
 Reko re ny alon-drano lehibe
 'Zay mamely ankehitrio;
 Ka toa kivy ny fanahiko mandre,
 Kanjo tsara ho ahy io.
 Fa tsy tiako ny hanalavitra
 'Lay Mpanafaka ny zava-manjo,
 Raha toa ny saiko tsy finaritra,
 Ka mangovitra mafy ny fo.
 Mandrosoa hoy ny Tompo, sns...</lyrics>
<hymn_number>827</hymn_number>
</song>